La présentation est en train de télécharger. S'il vous plaît, attendez

La présentation est en train de télécharger. S'il vous plaît, attendez

Fandratsanana ny hazo fihinamboa

Présentations similaires


Présentation au sujet: "Fandratsanana ny hazo fihinamboa"— Transcription de la présentation:

1 Fandratsanana ny hazo fihinamboa
Projet PROFAPAN PROfessionnalisation des Filières Agricoles Périurbaines d’Antananarivo Nord Fandratsanana ny hazo fihinamboa

2 1 FEPETRA AMIN’NY ANKAPOBENY Dingana > betsaka ravina = betsaka voa
> ny ravina dia tsy maintsy mahazo rivotra sy masoandro > ny endriky ny hazo dia mivelatra araka izay azo atao > ny afovoan’ny hazo dia tokony hazava (mba hidiran ’ ny rivotra sy ny masoandro) > tsy tokony hanana afatsy taho iray ny hazo

3

4 Dingana 2 NY FANAPAHANA raha ambony loatra / mihamaina ny hazo / mety handairan’aretina raha ambany loatra / mety ho faty ny tsiriny raha tsy misolampy kely / miditra ny aretina / lo ny taho raha tsy misolampy kely / mitete amin’ny tsiriny ny rano / lo ny tsiriny misolampy tsara sady haavo antonony > fanajana ny fisolampiana mba hivoaka any ivelany ny fanirin’ny rantsana mivoaka avy eo > sekatera sy tsofa maranitra tsara no ampiasaina mba tsy handratra ny hazo

5 ® © ® X XX

6 3 NY ENDRIKY NY HAZO FILAHARAN’NY FANAPAHANA Dingana
Ny hazo dia tokony hanana taho tokana ihany (raha taho maromaro : esory ny 2 na 3 amin’ny taona voalohany ary 2 na 3 koa taona faharoa mandra-pahazoana tahobe tokana) 2. Ary rantsany 3 na 5 ihany : taho manome ny endriny FILAHARAN’NY FANAPAHANA Taho na rantsana maina Rantsana marary sy malezolezo Sakelika (gourmands) Ny rantsana hety loatra na misaringotra Rantsanana ny faritra amban’ny tahobe

7 RANTSANA MANOHE VOA (TSY TAPAHANA)
HAZOMAINA (ESORINA) TAHO MARATRANA ,, TAPA KA _.- (IVERENANA TAPAHANA ' TSARA) SAKELIKA NA GOURMAND ,_,, MANOME RIVOTRA (ESORINA) (ESORINA IZAY HITA AMIN'NY RENINGIREFY) TAHO MANOME ENDRIKA (TSY TAPAHANA) '. FARITRA NANAOVAKA (GREFY)

8 4 FIKOJAKOJANA NY HAZO Dingana
Hitondrana zezika : komposta ventiny amin’ny fotony arahina evoevo kely ary zezika ranony amin’ny raviny (isan-kerinandro mandra-pamohany) Havaina sy hevoina ny tany fa tsy ratraina ny fakany Hamafisina ny rakotra rehefa manify Fanaovana trety raha ilaina Tondraka amin’ny main-tany isan-kerinandro Amboleo fefy fiharo rivotra, fefy fiarovana, fefy fakana akora ary fefy aro riaka ny toerana mba ho fiaro- vana ny hazo

9

10 TOMBONTSOA AZO AMIN’NY FANDRATSANANA
5 Dingana TOMBONTSOA AZO AMIN’NY FANDRATSANANA manome antoka vokatra tsara ny saham-boankazo mampihena ny fandaniana amin’ny fanafody antoka hampaharetana ny saham-boankazo FITAOVANA SY KOJAKOJA ILAINA angady, komposta, sekatera, tsofa, fahaiza-manao

11 NY TSARA HO FANTATRA fikojakojana ara-potoana = vokatra betsaka sy tsara kalitao fandratsanana vita tsara = tsy be aretina voly ambany hazo tena tsara (voly anana, legominoza...)

12 AGRISUD INTERNATIONAL MADAGASCAR
AGRISUD INTERNATIONAL dia Fikambanana Frantsay tsy mitady vola ary manao asa soa. Amin’izany dia manohana ny mponina amin’ny fanorenana orinasa madinika mpanangom-bokatra mba aharitra ary ahazo faka eo amin’ny tsena anatiny. Ireo orinasa madinika ireo dia miteraka fidiram-bola sy asa ary tombom-barotra izay mamaly ny filan’ny tsena : vokatra eto an-toerana ho an’ny tsena eto an-toerana. Ny tetik’asa MAMPIHARISOA dia miara-miasa amin’ny programa ASA. Ny tetik’asa dia mampiroborobo ny fomba famokaran’ny tantsaha, manamora ny famarotana ny vokatra amin’ny fanatsarana ny tsena sy ny fiasan’ny vondron’ny tantsaha amin’ny tolotra izany omeny ny mpikambana ao aminy  ASSOCIATION INTERCOOPERATION MADAGASCAR Niorina tamin’ny septambra 2004, AIM dia fikambanana malagasy tsy mitady vola teny am-boalohany. Nanomboka tamin’ny taona 2015, tao aorian’ny 10 taona nisiana, ny dia niova ho ONG. Izy dia misahana mivantana ny tetik’asa fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny ONG dia misahana ihany koa ny fitantanana ny volan’ny tetik’asa AIM dia efa miasa amin’ny faritra maro eto anatiny. Ankehitriny, efa miasa amin’ny faritra 6 : menabe, Androy, Amoron’i Mania, Analanjirofo, Atsimo Andrefana sy Analamanga. Ny mampiofana ho matianina sy mampijoro ny rafitry ny tantsaha dia anisan’ny asa fampandrosoana ataony. UNITE DE COORDINATION DU PROGRAMME ASA Ny programa ASA dia ao anatin’ny famatsiana tafiditra ao anatin’ny FED faha-10 (febroary 2014-febroary 2019) . Ny UCP dia misahana ny fanaraha-maso sy ny fandrindrana ny tetik’asa 9 sy lalam-pihariana 5 ary ny fametrahana ny fomba andrefesana ny fivoarana. Ao anatin’izany ny programa ASA dia manohana ny tetik’asa MAMPIHARISOA izay mampiroborobo ny lalam-pihariana voly legioma, fambolen-kazo fihinam-boa sy ny akoho gasy     DELEGATION DE L’UNION EUROPEENNE A MADAGASCAR


Télécharger ppt "Fandratsanana ny hazo fihinamboa"

Présentations similaires


Annonces Google